Sport

Kick – Combat de défi Hiverina hiady any Toamasina i Stéphane


  • Alakamisy 12 Mey 2016

Mpikatroka sangany folo avy eto Analamanga no handeha hiatrika ady fihantsiana any Toamasina. “Combat de défi Tananarive vs Tamatave” no anaran’ny fifaninanana izay karakarain’ny klioba scorpion any Toamasina izay mankalaza ny fah-16 taonany.

 

 Ny alahadin’ny Pentekosta, ny 15 mey no daty hanaovana ny fifaninanana ao amin’ny CRJS. Efatra amin’ireo mpikatroka mandrafitra ny Team Antananarivo no “senior” ahitana an’i Elfazar "Bad Boy" Fazaraly (-63.5kg), Billy “Soldat” (-54kg), Ratovoson (-60kg), Esperant (-71kg). Fa hanamarika ity ady fihantsiana any Toamasina ity koa ny fiverenan-dRakoto Stéphane, efa tompondaka erantany izay manao fanamby hamerina ny lazany manomboka amin’ny io ady hifandonany amin’i Philippe “Scorpion” io. Mbola sokajy zandriny kosa ireo dimy ambiny ahitana an’i Lava Mickael (-71kg junior), Jean de Dieu "Vazaha" (-48kg cadet), Jean Jores "Gauche" (-54kg cadet), Joachin "Beloha" (-57kg junior) ary i Dagou Tsilavina (-54kg junior). Anisan’ireo sangany Scorpion hifandona amin’izy ireo ry Bardi, Francklin izay samy efa tompondaka nasionaly lefitra. Ny Maitre Black Jim kosa no manazatra manomana sy hitarika ny ekipan’Antananarivo.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT