Sport

Kick – Combat de défi Fandresena 8 tamin’ny ady 10 azon’Antananarivo


  • Alakamisy 19 Mey 2016

Voahaja ny lôjika. Nanjakan’ireo mpikatroka avy eto Antananarivo ny « Combat de défi Tananarive vs Tamatave» natao tao amin’ny kianja mitafon’ny CRJS Toamasina ny faran’ny herinandro teo.

 Fifaninanana izay nentina nanamarihana ny fah-16 taonan’ny klioba Scorpion any Toamasina. Fandresena valo tamin’ny ady fifampihantsiana folo no norombahan’ny Team Antananarivo mpanafika. Nandresy an’isa avokoa ry Billy “Soldat” (-54kg), Jean de Dieu “Gauche” (-54kg cadet), Dagou Tsilavina (-54kg) ary i Joachim « Beloha » (-57kg). Nandresy tamin’ny KO kosa Ratovoson (-60kg) ary nibata fandresena tamin’ny fialana an-daharan’ny mpifanandrina tamin’ny fidirana voalohany i Esperant (-71kg) ary tamin’ny fidirana fah-2 i Lava Mickael (-71kg junior). Tsy raikitra kosa ny ady tena nandrasan’ny maro dia ny fiverenan-dRakoto Stéphane niakatra ringa satria tsy sahy fa nanda tsy nety nivoaka hiady i Philippe tokony ho nifanandona taminy. Mpikatroka roa no lavon’ny mpampiantrano izay samy resy an’isa dia i Elfazar “Bad Boy” Fazaraly (-63,5kg) nanoloana an’i Franckalin “Black” sy Jean de Dieu “Vazaha” sokajy -48kg “cadet”. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT