Sport

Kick Boxing Xtrême Combat Miroso tsara ny fanomanana


  • Alakamisy 27 Febroary 2020

Nohamafisin’i Me Boto Gilbert mpanorina sady mpitarika ny klioba Kick Boxing Lion Force fa miroso soa aman-tsara ankehitriny ny fanomanan’izy ireo ny hetsika

 

 

 

« Xtrême combat » andiany faha-3 izay hotontosaina ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina amin’ny sabotsy 7 martsa 2020 ho avy izao. Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-10 taonan’ny klioba sady ho fanokafana ihany koa ny taom-pilalaovana vaovao satria eo ambany fiahian’ny FMKDA « Federation Malagache de Kickboxing et Disciplines Associées ». Tanjona, hoy ity filohan’ny Lion Force ity, ny hanomezana ainga vao  indray ny taranja Kickboxing izay somary natoritory kely tao ho ao. Ady kickboxing sy K1 mahatratra 15 no harahina amin’izany ary tafiditra ao anaty fandaharam-potoana koa ny ady eo amin’ny taranja “Boxe Anglaise”, “Savate Pro”  ary ny Mma sy Pancrace . Dia hisy kosa ny “demonstration Bodybuilding. Lelavola mitentina hatrany amin’ny 6 tapitrisa ariary no hozaraina amin’ireo mpikatroka amin’izany ka ny voalohany isaky ny sokajin-danja dia hotolorana 200.000 ar ireo  laharana faha-2 kosa homena 100.000 ar. Marihina fa anisan’ireo hiakatra ringa indray ireo kalaza fahiny teo amin’ny taranja ady totohondry Malagasy toa an’i Soloniaina Razanadrakoto sy Lalaina Rabenarivo.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT