Fahombiazana ny fiofanana sy ny hetsika notontosain’ny Ligin’i Vakinankaratra nandritra iny herinandro nivalona iny.
Teo ny fanofanana ireo mpitsara eo anivon’ny Ligy, izay nosahanin’ny Federasiona Malagasy ny taranja fa teo ihany koa ny fiadiana ny tompondakam-paritra ho an’i Vakinankaratra teo amin’ny taranja kick-boxing ihany. Raha ny fanazavana nentin’ny Maitre Seraphin, mpitarika ity taranja ity ao Vakinankaratra dia ny haiady kick-boxing sy Kwan ary ny Full Contact no nampiofanana ireo mpitsara ivelany sy anatiny mandritra ny fiofanana ka notsaraina avy hatrany ireo mpiofana nandritra ny fitsarana ny fifaninanam-paritra. Nandritra ny fifaninanana moa dia ady niisa 35 no nataon’izy ireo tao amin’ny kolejy Immaculé. Nambaran’ity mpitarika ity fa mpiady niisa 20 avy ao amin’ny sokajy no navoaka, izay hiatrika ny fifaninanana nasionaly aty Antananarivo ny faran’ny volana septambra ho avy io. Nambarany fa ananan’ny ligin’i Vakinankaratra avokoa ny sokajin-danja rehetra eo amin’ity taranja ity ary ireo sokajy miisa telo ihany koa dia ananan’izy ireo dia ny C, B, ary ny A, izay ahitana ireo efa tena sangany.
Caius R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.