Sport

Kick-Boxing Torana voadonan’ny fiara i Severin


  • Talata 02 Febroary 2016

Tra-doza tao Toliara halina i Severin Mamonjisoa. Voadonan’ny fiara ny moto nentiny.

 

Tsy voafaritra mazava ny antony nitarika ny loza fa i Severin tsy nahatsiaro saina nipitika avy eny ambony moto no nifamonjena nentina tany amin’ny hopitaly. Dona mafy tamin’ny loha no nitarika azy tsy hahatsiaro saina. Nifarimbona ireo mpitsabo ao amin’ny hopitaliben’i Toliara nikarakara azy. Efa nanomboka nahatsiaro saina izy tany amin’ny folo ora alina any. Tompondaka eran-tany amin’ny kick-boxing matihanina, ISKA eo amin’ny sokajy latsaky ny 60kg i Severin Mamonjisoa. Tokony hiatrika ady izy amin’ny 27 febroary 2016. Tompondakan’i Rosia no hifanandrina aminy, ary sokajy WKF. Hisy fiantraikany amin’io ady tokony hatrehiny io ve ity lozam-pifamoivoizana nahazo azy halina ity ? Mbola arahi-maso fatratra  mantsy ny fahasalamany amin’izao.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT