Sport

Kick Boxing Tontosa ny Fantomas andiany faha-2


  • Talata 30 Oktobra 2018

Tontosa tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina tamin’ny alahady 28 oktobra 2018 teo ny fifaninana kick boxing “FANTOMAS” andiany faha-2 nokarakarain’ny fikambanana’ireo mpanorina ny taranja kick boxing eto Madagasikara.

 

 

 

Fihaonana niisa 21 no natrehana tetsy Mahamasina ka mpikatroka lahy sy vavy avy amin’ny Faritra Analamanga, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony ary Atsimo Andrefana no nandray anjara tamin’izany. Nampiavaka an’ity Fantomas andiany faha-2 ity dia ny fanolorana lelavola avy an’ireo mpifaninana rehetra ka ankoatra ny amboara sy medaly azon’ireo mpandresy rehetra dia samy notolorana lelavola 1  hetsy ariary avy izy ireo ary notolorana 5 alina ariary kosa ireo resy. Nisy aza ny lalao  Grand Prix lahy sy vavy nanolorana 2 hetsy ariary avy an’ireo mpandresy (Fahendrena sy Zo) ary 1 hetsy ariary avy an’ireo resy. Nomarihan’i Me Rakotobe Henri Gilbert filohan’ny hetsika FANTOMAS teny Mahamasina tamin’io alahady io fa natao indrindra hanampiana an’ireo mpikatroka hiatrika lalao misimisy no anton’ny namoronana ny fifaninana Fantomas.

Ireo mpandresy nahazo 1hetsy ariary tamin’ny fihaonana  : -45 kg Tantely (Fianarantsoa), Rova (Cktas) ; -51kg Safic (Tchunami),  Nambinina (3Fb) ; Vehivavy : -52kg Sandra (Ankoay), Rindra (Afkm),  Natacha (3fb)  ;  -60kg GP Fahendrena (Afkm)  : Lehilahy : -54kg Jean Joresse (Etoile du Sud), Toky (3Fb) ; -57 kg Nambinintsoa (Cisc),  Aina (Tamia), Avotra (Scorpion), Jean Claude  (Ckba), Billy (Gsl)  ; -60kg Belouh  (Tigers), Arthur (Ftbf), Dago (Cisc), Jessy (Cobra) ; -63kg Naval (Ftbf) ; -67kg GP Zo (Afkm)

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT