Sport

Kick Boxing Tontosa ny Fantomas andiany faha-2


  • Alatsinainy 29 Oktobra 2018

Tontosa tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina omaly alahady 28 oktobra 2018 ny fifaninana kick boxing “FANTOMAS” andiany faha-2 nokarakarain’ny fikambanana’ireo mpanorina ny taranja kick boxing eto Madagasikara.

 

 

Fihaonana niisa 21 no natrehana tetsy Mahamasina ka mpikatroka lahy sy vavy avy amin’ny Faritra Analamanga, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony ary Atsimo Andrefana no nandray anjara tamin’ny fihaonana. Nampiavaka an’ity Fantomas andiany faha-2 ity dia ny fanolorana lelavola avy an’ireo mpifaninana rehetra ka ankoatra ny amboara sy medaly azon’ireo mpandresy rehetra dia samy notolorana lelavola 1  hetsy ariary avy izy ireo ary notolorana 5 alina ariary kosa ireo resy. Nisy aza ny lalao  Grand Prix lahy sy vavy nanolorana 2 hetsy ariary avy an’ireo mpandresy ary 1 hetsy ariary avy an’ireo resy. Nomarihan’i Me Rakotobe Henri Gilbert filohan’ny hetsika FANTOMAS teny Mahamasina omaly fa natao indrindra hanampiana an’ireo mpikatroka hiatrika lalao misimisy no anton’ny namoronana ny fifaninana Fantomas.

Ireo mpandresy nahazo 1hetsy ariary omaly : -45 kg Tantely (Fianarantsoa), Rova (Cktas) ; -51kg Safic (Tchunami),  Nambinina (3Fb) ; Vehivavy : -52kg Sandra (Ankoay), Rindra (Afkm),  Natacha (3fb)  ;  -60kg GP Fahendrena (Afkm)  : Lehilahy : -54kg Jean Joresse (Etoile du Sud), Toky (3Fb) ; -57 kg Nambinintsoa (Cisc),  Aina (Tamia), Avotra (Scorpion), Jean Claude  (Ckba), Billy (Gsl)  ; -60kg Belouh  (Tigers), Arthur (Ftbf), Dago (Cisc), Jessy (Cobra) ; -63kg Naval (Ftbf) ; -67kg GP Zo (Afkm)

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT