Sport

Kick Boxing Tompondakan’Analamanga 2019 Handraisan’ny seksiona 5 anjara eny Ankorondrano


  • Alakamisy 06 Jona 2019

Nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga amin’ny taranja Kick Boxing, Rakoto Minoharifetra teny Mahamasina omaly alarobia 05 jona fa ho tanterahina eny amin’ny kianja mitafon’Akorondrano amin’ny alahady 16 jona 2019 manomboka amin’ny 8 ora maraina tsy diso ny fiadiana ny ho

 

 

tompondakan’ny ligy tarihany  taona 2019 ka izay tafavoaka ho tompondaka amin’io fihaonana io no hisolontena ny ligin’Analamanga any amin’ny fifaninanana nasionalin’ny kick Boxing sokajy Low  Kick ho tanterahina any Fianarantsoa amin’ny volana jolay 2019 ary ireo tompondaka lefitra kosa no havondrona hiatrika ny fifaninanana K-1 amin’izany. Ny hampakatra avo ara-bakiteny an’ity taranja ity no tarigetran’ny ligy tarihako, hoy izy. Mpikatroka miisa 75 kilasy A avy amin’ny seksiona 5 misy ao amin’ity ligin’Analamanga ity (Antananarivo-renivohitra, Andrefan’Iarivo, Avaradrano, Atsimondrano ary Atsinanana na Manjakandriana) no handray anjara amin’ny ady 37 hatrehana amin’io andro io, hoy ny Ctr-n’ny ligy Me Rakotomalala Gaston Joseph.

 

Ntsoavina Evariste

 

   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT