Sport

Kick Boxing - Tompondaka eran-tany Nahazo fandresena 3 ny Malagasy


  • Alarobia 28 Oktobra 2015

Tsara fanombohana omaly any amin’ny fiadiana izay tompondaka eran-tany amin’ny taranja Kick boxing atao any Serbie ny mpikatroka Malagasy.

 

 Lalao 4 no natrehana ka fandresena 3 sy faharesena 1 no azon’ny ekipam-pirenena malagasy. Ramiandriray Feno Naval no niaka-tsehatra voalohany ka nandresy an’i Shameret Hallyyev (Turkmenistan) tamin’ny isa 3-0. Resin’i Mamonjisoa Severin 3-0 ihany koa ilay Breziliana Bruno Ceruti, teo amin’ny round 1 dia efa nisaina ilay Breziliana satria fanina tanteraka ary nidaraboka tamin’ny tany rehefa voadonan’i Severin mafimafy. Mbola nibata fandresena ihany koa i Jhonny raha nifanandrina tamin’ilay Italiana Emanuele Tetti Menichelli (3-0). Tsy nahatohatra ilay Serba Sedad Bukvic kosa anefa i Razanajatovo Elfazar Fazaraly omaly tolakandro ary dia resy na dia efa niady mafy ihany aza. Fihodinana voalohany amin’ny fifanintsanana iny natrehan’ny mpilalao malagasy omaly iny fa mbola mitohy ny lalao.

Nangonin’i RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT