Sport

Kick Boxing Seksiona Antananarivo Renivohitra Natomboka tamin’ny sabotsy 5 aprily ny fiadiana ny ho tompondaka


  • Alatsinainy 07 Mey 2018

Natomboka tamin’ny sabotsy 5 aprily teo, tao amin’ny “dojo Cospn” Mahamasina, ny fifaninanana fiadiana ny ho tompondakan’ny seksion’ny taranja kick boxing eto Antananarivo Renivohitra 2018 tarihan’ny filohany Ralijaona Léon.

 

 Ady niisa 24 ho an’ny sokajy C na ireo antsoina hoe “debutant”  junior lahy sy vavy ary senior no nanombohana izany izay nofaranana tamin’ny lalao famaranan’ny Benjamin, minime zazalahy ary cadet sy cadette  vitsivitsy. Hotohizana amin’ny alahady 13 mey 2018 eny amin’ny kianja mitafon’i Besarety ireo famaranana ho an’ity Classe C ity ary hifanindran-dalana amin’ny lalaon’ny sokajy B na ireo antsoina hoe : “Avancés”. Amin’ny andron’ny 9 jona kosa any amin’ny toerana mbola hofaritana no hanatanterahana ireo adin’ny classe A na ireo “Vedettes”.

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT