Sport

Kick Boxing Resin’ny Zanakala 7-6 i La Réunion


  • Talata 17 Oktobra 2017

Mbola noporofoin’ny mpiangaly ny taranja Kick Boxing Malagasy avy ao amin’ny Club Zanakala indray mandeha indray fa mafy ary mahafehy tsara io taranja io izy ireo raha ny eto amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina.

Resin’i Madagasikara tamin’ny isa 7 – 6 ny nosy La Réunion nandritra ny Gala International de Kick Boxing notanterahana tany St Pierre – La Réunion ny 12 ka hatramin’ny 16 oktobra lasa teo. Resin’i Rojo Lalaina i Brice Vaillant teo amin’ny sokajy 60 kg; resin’i Vladis Randriamadiniaina i  Grondin Jason teo amin’ny 63,5 kg. Niondrika teo anatrehan’i Tafita Randriamanampisoa i Emmanuel Perrault teo amin’ny  sokajy 57 kg. Lanin’i Séverin Razafimandimby i William Bedanteo amin’ny 57 kg ihany. Nandrombaka ny fandresena i Lavakely na Zafy Mariamo teo amin’ny 63,5 kg raha nifanandrina tamin’i Alexis Armand. Resin’i Keva, Sala kosa i Joel Randrianjafy. Nampiseho fahavononana sy fahamatorana amin’ny fiatrehana ady iraisam-pirenena ireo kick boxer Malagasy nandritra ity fihaonana tatsy amin’ny nosy La Réunion ity ary tsara homarihana fa niantoka manontolo ny lany tany an-toerana Atoa Mamy Be filohan’ny Zanakala.


RTT                                                   

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT