Sport

Kick Boxing Malagasy Mpikatroka Analamanga 19 ho any Fianarantsoa


  • Alarobia 18 Septambra 2019

Mpikatroka kick Boxing 19 mianadahy “toutes catégories” (lahy 14 ary vavy 5) avy eto Analamanga no fantatra fa hihazo an’i Fianarantsoa

 

 

toerana hanatanterahan’ny ekipam-pirenen’ny taranja Kick Boxing Malagasy fampivondronana sy fanomanan-tena amin’ny hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany amin’ity taranja ity sokajy  seniors (LC, LK, K-1) izay hotanterahana any Sarajevo any  Bosnie-Herzégovine ny 19 ka hatramin’ny 27 oktobra 2019. Ho “Sparring-partners” ho an’io ekipam-pirenena Malgasy io  ireto mpikatroka Analamanga “Analamanga Puissance” ireto amin’izany  ka hanatanteraka fihaonana ao amin’ny kianja mitafon’Ambatomena ny roa tonta ny 22 septambra 2019 ho avy izao.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT