Sport

Kick-boxing- ligy atsinanana Niatrika ny tompon-dakam-paritra


  • Alakamisy 18 Jona 2015

Natao tao amin’ny kianja mitafo ny CRJS ny fiadiana ny tompon-dakam-paritry ny ligy atsinanana amin’ny taranja kick-boxing sy boxe thai ; nandritra izany no nifantenana ireo ho solon-tenan’ny faritra atsinanana hiatrika ny tompon-daka nasionaly izay atao ao Toamasina renivohitra ny ny volana aogositra ho avy izao

 

. Isany taranja voafehin’ny tanora Malagasy na lahy na vavy ny kick-boxing sy ny boxe thai, ka  nampisehoana ireo izay mbola miana-draharaha natao ny tapany maraina ny sabotsy teo, sy ireo efa mpikatroka izany an-taonany maro ny tapany hariva ny fahaizany sy ny fifehezany izay haiady aziatika izany. Nandritra ny ady dia nahitana “K.O” niisa 03 izay vitan’i Stéphane avy amin’ny “Scorpion” tamin’ny lanja 41kgs, Antonio avy amin’ny “Scorpion” ihany koa tamin’ny lanja 56kgs, ary Gabriel avy amin’ny klioba ny “fitsarana” tamin’ny lanja 60kgs. Raha tamin’ny fitarihana ny fandrobahana ny fandresena ho an’ireo mbola miana-draharaha kosa, dia laharana voalohany ny mpikatroka ny “fitsarana” ary manaraka azy ao ny klioba ny “Scorpion”; fa raha teo amin’ny efa sangany sy mpiatrika ny amboara nasionaly dia mitarika voalohany kosa ny “Scorpion” ary faharoa manaraka azy ny “fitsarana”. Ho an’ny filohan’ny ligy atsinanana ny kick-boxing sy boxe thai atsinanana, dia ny fanomanana tsara ny fiahatrehan’ny tanora atsinanana ny fiadiana ny tompon’ny amboara nasionaly izao no tanjona, satria ao Toamasina no anaovana izany ka sy mila miala ao Toamasina ny amboara sy laharana voalohany.

 


Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT