Sport

Kick Boxing Hankalaza ny faha-10 taonany i Me Francis


  • Alakamisy 15 Martsa 2018

Na dia efa nihoatra ny folo taona aza no niangalian’i Me Francis Razafimahatratra mpitantana ny klioba Eagles Kick Boxing eny Bemasoandro Itaosy dia nanapa-kevitra ny lehilahy fa hakambana ao anaty fankalazana ny faha-10 taona nanaovany an’ity taranja ity izany rehetra izany.

Efa indray mihira tao anaty ekipa nasionalin’ny Kick Boxing niaraka tamin-dry Rakoto Jean Stéphan ry Anigaël ry Rasta ary efa tompondakan’ny Oseana Indiana tamin’ity taranja ity in-droa (2008/2009 sy 2009/2010) mantsy izy. Hisy, araka izany, ireo “combats” kick boxing hokarakarainy etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny 31 martsa 2018 izao ka handraisan’ireo sokajy rehetra anjara, katitakely ka hatramin’ny Classe A misy an’ireo tena kalaza ankehitriny eo amin’ity taranja ity, toa an-dry Tojo (Eagles), Ali (Camsoa), Turbo (Ckba),     (Ftba) … Lalao miisa 40 no hatrehana amin’ity fihaonana ity miampy lalaon’ny katitakely miisa 45. Ny antony tena hikarakarana ny hetsika, hoy i Me Francis, dia ny mba hanomezana vahana an’ireo mpikatroka vao misondrotra ao amin’ny Classe B sy C ka hanolorana medaly azy ireo ary hotolorana amboara kalisy ireo mandresy ao amin’ny Classe A.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT