Sport

Kick Boxing Fahombiazana ny « Combats de défi »


  • Alatsinainy 05 Aogositra 2019

Tontosa an-tsakany sy an-davany omaly alahady 04 aogositra 2019, tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny hetsika Kick Boxing « Combats de défi » nokarakarain’i Me Alain Michel niaraka tamin’ny klioban’ny Super

 

 

Eagles tarihan’i Me Francis sy ny klioban’ny Aigle Vert tarihan’i Me Jeannot ary ny klioba Dragon tarihan’i Me Marilyn. Afa-po izahay mpikarakara tamin’ny ankapobeny, hoy i Me Alain Michel, fa tonga namaly ny antso avokoa tsy nisy banga ireo mpikatroka nasaina rehetra ka nahatontosana ny ady niisa 20 natrehan’ny mpijery sy mpitia an’ity taranja ity izay tonga maro namaly teny Mahamasina. Mampanantena sahady dieny izao izahay mpikarakara efa-tonta ireto fa ho avy tsy ho ela indray ny « Combats de défi kick boxing » manaraka. Marihana fa ankoatra an’ireo Combats de défi lahy sy vavy niisa 16 ary ny Grand défi niisa 4 dia ny Combat d’ouverture niisa 6 nandraisan’ireo katitakely -28 kg ka hatramin’ny -37 kg no nanomboka ny hetsika tamin’io omaly io.

 

Vokatry ny Grand défi 4 natao omaly :

Sokajy vehivavy : -54kg : Judie (3Fb) nandresy an’i Claudia (Afkm)

Sokajy lehilahy : -54jg : Sylvio (Aflkm) nandresy an’i Sylvain (Mkc)   ;  -57  kg : T oky  (3Fb) nandresy an’i Aina (Tamia)   ;  -60 kg : Belouh (Tiggers) nandresy an’i Angelo (Ckba)

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT