Sport

Kick Boxing – Faha-10 taonan’i Me Francis Lalao 30 no natrehana tamin’ny sabotsy teo


  • Alarobia 04 Aprily 2018

Mpikatroka nahatratra 70 avy amin’ny klioba eto Antananarivo sy Antsirabe ary avy any Moramanga no niatrika an’ireo lalao niisa 30 nalahatry ny mpikarakara tamin’ny fankalazana ny faha-10 taona niangalian’i Me Razafimahatratra Francis ny taranja Kick Boxing (lalaon’ny Cadet 6, junior 15 ary Sénior classe C 9), tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina tamin’ny sabotsy 31 martsa lasa teo.

 

Tratra ny tanjona, hoy ny lehilahy tamin’ny ankapobeny raha ny fahavitrihan’ireo mpandray anjara avy amin’ireo Faritra 3 ireo fotsiny no ambara sy ny tohana nasehoan’izy ireo ny tena. Maro ny dingana efa vitan’ity maître ity teo amin’ity sehatra ity toy ny nahazoany ny amboara nasionaly ohatra, ny anaram-boninahitra tompondakan’i Madagasikara sy tompondakan’ny faritra faha-4 aty Afrika teo amin’ny sokajin-danja -63 kg izay izy lasa mpitantana ny ekipan’ny Super Eagles Itaosy nandritra ny 3 taona izao sady DTC an’ny seksion’ny kick Boxing Atsimondrano ihany koa.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT