Sport

Kick boxing - Antsirabe Fahombiazana ny hetsika “Mazana 110”


  • Talata 26 Septambra 2017

Fahombiazana tanteraka ilay lalao iraisam-pirenana nampitondraina ny anarana « Mazana 110 » notontosaina tao amin’ny kianja Tsarasaotra Antsirabe ny sabotsy 23 septambra lasa teo.

 

Ny Ligin’ny taranja Kick Boxing Vakinankaratra no nikarakara ny hetsika. Lalao niisa 17 no notontosaina. Nisy ny fifandonana tamin’ireo mpilalao avy tao Vakinankaratra sy Analamanga nahitana ny 3FB sy ny COSFA ary ny COSROM 14, ary i Toamasina izay nanana solontena iray. Ankoatra an’ireo dia nisy ireo mpilalao vahiny avy atsy amin’ny nosy La Réunion nanafika teto Madagasikara ka ny taranja « Pancrace » no nifaninanan’izy ireo. Anisan’ny taranja vaovao moa ity taranja ity izay ny fikambanana SPV Felana, efa mpiara-miasa amin’ireo vahiny no nampiditra azy tao Antsirabe. Araka ny fanazavana nomen’Andriambahoaka Luc Désiré, mpitantana ny fikambanana dia nampahafatariny fa hifangaroan’ny taranja maro ny Pancreace sady hitaizana ireo tanora beazin’izy ireo ary antony nisafidianan’izy ireo sy nanafarany ireo mpilalao avy any La Réunion. Fa nandray anjara tamin’ny fanohanana ny hetsika ny Fikambanana « Ho maitso ny tontolo » mpisehatra eo amin’ny asa sosialy sy ny fiarovana ny tontolo iainana, saingy mpanohana sy nitondra anjara biriky ho an’ireo tanoran’i Vakinankaratra. Araka ny fanazavana nentin’Atoa Razakarivo Armando, filohan’ny fikambanana dia  fanabeazana ireo tanora ihany koa ny fanohanana nentin’izy ireo niantoka manontolo ny amboara goavam-be niisa 34 nozaraina tamin’ireo mpandray anjara rehetra. Nampanantena ireo mpikarakara fa hisy ny andiany faharoa sy ny manaraka ary ny fiaraha-miasa amin’ireo vahiny ireo raha mbola mety ny fiaraha-miasa ho fampivoarana sy fampiakarana ny lentan’ny fanatanjahantena ao Vakinankaratra sy i Madagasikara mihitsy.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT