Fahombiazana tanteraka ilay lalao iraisam-pirenana nampitondraina ny anarana « Mazana 110 », notontosaina tao amin’ny kianja Tsarasaotra Antsirabe ny sabotsy 23 septambra lasa teo.
Ny Ligin’ny taranja Kick Boxing Vakinankaratra no nikarakara ny hetsika. Lalao niisa 17 no notontosaina. Nisy ny fifandonana tamin’ireo mpilalao avy tao Vakinankaratra sy Analamanga nahitana ny 3FB sy ny COSFA ary ny COSROM 14, ary i Toamasina izay nanana solontena iray. Ankoatra ireo dia nisy ireo mpialao vahiny avy atsy amin’ny nosy La Réunion nanafika teto Madagasikara ka ny taranja « Pancrace », no nifaninanan’izy ireo. Anisan’ny taranja vaovao moa ity taranja ity izay ny fikambanana SPV Felana, efa mpiara-miasa amin’ireo vahiny no nampiditra azy tao Antsirabe. Araka ny fanazavana nomen’Atoa Andriambahoaka Luc Désiré, mpitantana ny fikambanana dia nampahafatariny fa hifangaroan’ny taranja maro ny Pancreace sady hitaizana ireo tanora beazin’izy ireo ary antony nisafidianan’izy ireo sy nanafarany ireo mpilalao avy any La Reunion. Fa nandray anjara tamin’ny fanohanana hetsika ny Fikambanana « Ho maitso ny tontolo » mpisehatra eo amin’ny asa sosialy sy ny fiarovana ny tontolo iainana, saingy mpanohana sy nitondra anjara biriky ho an’ireo tanoran’i Vakinankaratra, ka araka ny fanazavana nentin’Atoa Razakarivo Armando, Filohan’ny fikambanana dia isan’ny fanabeazana ireo tanora ihany koa ny fanohanana netin’izy ireo ka ity fikambanana ity no niantoka manontolo ny amboara goavam-be niisa 34 nozaraina tamin’ireo mpanadray anjara rehetra. Nampanatena moa ireto mpikarakara ireto fa hisy ny andiny faharoa sy ny manaraka ary ny fiaraha-miasa amin’ireto vahiny ireto raha toa ka mbola mety ny fiaraha-miasa, ho fampivoarana sy fampiakarana ny letan’ny fanatanjahan-tena eto Vakinankaratra sy i Madagasikara mihitsy.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.