Sport

Kick Boxing Analamanga Fantatra ireo tompondaka 2019


  • Alatsinainy 17 Jona 2019

Mpikatroka nahatratra 85 avy amin’ny seksiona 5 mandrafitra azy (Antananarivo-renivohitra, Avaradrano, Atsimondrano, Andrefan’Iarivo ary

 

 

Manjakandriana) no niatrika ny  fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga eo amin’ny taranja Kick Boxing teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano omaly alahady 16 jona tontolo andro. Nahavelom-bolo, hoy  ny filohan’ity ligy ity Rakoto Minoharifetra, ny fahavitrihan’ireo mpandray anjara rehetra izay hita fa samy  niakatra avokoa ny haavo teknikan’izy ireo. Nilamina ny fandaminana sy ny fizotran’ny fifaninana tamin’ny ankapobeny ary hisaorana koa ireo mpitsara tena nahafehy ny lalao tamin’ny antsakany sy andavany avy. Vonona izay izao ny ligin’Analamanga hiatrika ny fifaninanam-pirenena fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny Low kick sy K 1 ho tanterahina any Fianarantsoa fa efa fantatra avokoa ireo tompondaka sy tompondaka lefitra hiatrika an’izany.

 

Fantaro ireo tompondaka lahy sy vavy 2019 : (-42kg), Finaritra (-44kg), Avotra (-45kg), Julio (-47kg), Midera (-47kg), Sandra (-48kg), Albert (-51kg), Jean José (51kg), Rindra (-52kg) , Todidsoa (-52kg), Judie (-52kg), Sylvain (-54kg), François (54kg), Anita (-56 kg), Claudia (-56kg) , Aina (-56kg), Toky (-57kg), Diary (-57kg), Jessy (-60kg), Mahenina (-60kg), Cristien (-67 kg), Marc(-63,5kg) ary Andy (-83kg).

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT