Sport

Kick – Analamanga Hibanjina hatrany amin’ny fifaninanan’ny oseana indiana


  • Talata 29 Septambra 2015

Roa volana taorian’ny fifidianana fanavaozana ireo mpitantana ny ligin’Analamanga amin’ny kick-boxing dia nampahafantatra ny fandaharan’asany ny ekipan’ny filoha vaovao, Rakotoarisoa Gerard.

 


 
Akaiky indrindra amin’izany ny fiadiana ny tompondakan’Analaman­ga izay hatao ny 1 novambra eny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Handray anjara amin’o avokoa ireo seksionina efatra misy dia Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano, Avaradrano ary Andrefan’iarivo. Voakasik’io fifaninanana io avokoa ireo sokajy rehetra. Aorian’io fiadiana ny tompondakan’Analaman­ga io dia hikarakara fifaninanana “Inter-Ligues” aty amin’ny oseana Indiana miaraka amin’ireo nosy manodidina ity ligy ity. Hatsangana tsy ho ela koa ny filankevitra ivondronan’ny ranomasimbe Indiana ho an’ireo mpitsara. Heverina hatsangana eto Madagasikara koa ny dojo rejionaly ho an’ny taranja. Anisan’ny ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny ligy koa ny fikarakarana ny “Trophee de choc” sy “Inter-clubs”.


Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT