Sport

Kianjan’i Mahamasina Ny Barea sy ny Senegaley sisa mahazo miditra ao


  • Zoma 07 Septambra 2018

Efa mitondraka isan’andro ny bozaka etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina, hoy ny tale misahana ny kolontsaina sy ny fiainam-piarahamonina ao amin'ny CUA,

 

 Patrick Andriamisa Ramihone sady tompon’andraikitra voalohany amin’ny fikojakojana an’i Mahamasina iray manontolo. Tsy mety ny miantso “pompier” hanondraka ny kianja fa lehibe loatra ny fantsona ampiasain-dry zareo sady mamimafy ihany koa ny tosiky ny rano avoakany ka mety hanimba ny kianja indray. Nampiana ny fantsona enti-manondraka ny faritra rehetra ary efa nidina tsy azo hidirana afa-tsy ny Barea intsony ny kianja nanomboka tamin’ny alatsinainy 3 septambra teo. Rahampitso sabotsy no hitsapa  kianja ry zareo Senegaley izay omaly alakamisy alina no efa tonga eto Antananarivo araka ny fandaharam-potoana. Nambaran’ity tompon’andraikitry ny CUA etsy Mahamasina ity fa nisy mpanao gazety Senegaley tonga nifandamina taminy tao Mahamasina fa hampita mivantana amin’ny Canal Plus ny lalao amin’ny alahady. Efa tapitra tonga eto an-tanindrazana avokoa ireo mpilalaon’ny Barea mpila ravinahitra any ivelany ka tazana tamin’ny fanazaran-tena nataony tetsy Mahamasina avokoa izy 21 mirahalahy handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT