Kianjan’i Mahamasina

Havadika bozaka « hybride »…


  • Alakamisy 07 Mey 2026

Mbola ady sy tolona hatramin’izao

ny ezaka hahazoan’ny Kianjan’i Mahamasina fankatoavana na « homologation » amin’ny sehatra iraisam-pirenena, izay tsy nisy sy olana an-taonany maro. Araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Filankevitry ny Minisitra ny talata 5 mey, havadika ho « pelouse hybride » ny bozaka. Ara-teknika, voalaza fa tombony lehibe amin’ny bozaka « hybride » ny fahafahana mampiasa ny kianja hatramin’ny 1000 ora isan-taona, raha 250 ora monja no zakain’ny bozaka natoraly. Tsy mitaky rano be ihany koa izy ary ankatoavin’ny sehatra ambony eo anivon’ny rafitry ny baolina kitra dia ny CAF sy ny FIFA. Ity karazana bozaka ity dia efa ampiasaina amin’ireo kianja lehibe maneran-tany, toy ny any Maroc, Egypte,… raha ho an’ny aty Afrika, ary koa amin’ireo kianja malaza toa ny Camp Nou, Old Trafford, Allianz Arena, na Stade de France. Ny rafitra « hybrid turf » izay mampifangaro bozaka voajanahary sy fibre artifisialy ao anaty tany, ka manome faharetana sy kalitao ambony kokoa no isan’ny be mpampiasa, saingy andrasana izay tena ho endriky ny eto amintsika. Efa nofaritana fa horaisin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola an-tanana ny fandaniana amin’ny fanatsarana, ary nomena enim-bolana ireo tompon’andraikitra hanomana sy hanatanteraka ny fanovana. Tsara ny manamarika sy mampahatsiahy fa ankoatra ireo olana hafa, dia isan’ny olana hatramin’izay ny ara-bola tamin’ny fikojakojana ny Kianjan’i Mahamasina, indrindra fa ny bozaka. Tamin’ny volana janoary 2026, niala ny orinasa niantsoroka ny fikojakojana ny bozaka, ka tsy fantatra ny tohiny nanomboka teo. Andrasana indray izao ny fanovana azy ho bozaka « hybride », izay antenaina hitondra vokatra maharitra sy hanome endrika vaovao ho an’ny kianja lehibe indrindra eto Madagasikara. Asa rahoviana ihany vao ho afaka hilalao eto an-tanindrazana ny ekipam-pirenena ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT