Sport

Kianjan’i Mahamasina Efa mba fotoanany ny fanatsarana azy


  • Alatsinainy 10 Septambra 2018

Tsapa tamin’ny fanatrehana ny lalao baolina kitra nihaonan’ny Barean’i Madagasikara sy ry zareo Senegaley omaly alahady 9 septambra fa efa tsy antonona ny mpitia baolina kitra Malagasy

 

 

 

intsony ny fijerem-baolina ao amin’ity kianja ity ka efa fotoanany izao ny tokony hanatsarana azy na hanamboarana toeran-kafa lehibebe kokoa noho izy eto amin’ity renivohitr’i Madagasikara ity. Nanampy trotraka an’izany koa ny tsy fahatomombanan’ny fikarakarana ny fandraisana ny lalao tamin’ny ankapobeny. Na ny fandaminana ny asan’ireo mpanao gazety nahazatra aza toa tsy nandeha tamin’ny laoniny mihitsy fa be ireo tsy nanana « chasuble » sy « badge » tafiditra teny an-tsisin’ny kianja sy tao amin’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety tamin’ny fiafaran’ny fotoana … Nisy ireo nandoa volabe (250.000 Ar sy 150.000 Ar) nefa tsy nahazo toerana akory fa nitsangana no niafarany. Nahita maso an’izany nivantana ny filoham-panjakana vonjimaika Rivo Rakotovao izay inoana fa efa mba nisaintsaina koa na dia voasiotsiokan’ny mpijery tetsy Mahamasina indray aza omaly io. Miantefa any amin’ireo kandidà ho filoham-pirenena 36 ankehitriny koa ny amin’ny vinan’izy ireo amin’izany mba tokony hananan’ny Malagasy amin’izay an’ireny kianjana baolina kitra mifanahantsahana amin’ny any ivelany ireny na dia atsy Afrika misy antsika fotsiny aza. Maninona moa raha mba hasiana an’ireny kianja misy rihana ireny amin’izay eto amintsika ?

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT