Sport

Kianjan’i Barikadimy Toamasina Ampy ny fotodrafitrasa - manana « Vestiaires » miisa 6


  • Zoma 06 Martsa 2020

Tsy olana velively amin’ny kianja “Stadium Barikadimy” eto Toamasina, hoy ny filohan’ny ligin’ny baolina kitra any Atsinanana Atoa Marcel Andry Herinjatovo, ny mikasika ny resaka “vestiaire”

 

hisoloan’ireo ekipa hifanandrina hilalao ao aminy akanjo fa manana “vestiaire” miisa 8 be izao samy misy toerana fidiovana sy fivoahana maromaro avy ity kianja ity fa ny resaka seza fipetrahana ao aminy no mila ezaka manokana avy aminay ny fametrahana azy ary koa ireo toerana fanatonana akanjo sy ny fametrahana latabatra hanaovana “massage” an’ireo mpilalao ihany koa. Sisa ataonay ankoatra izay dia ny mametra nomerao an’ireo toerana hipetrahan’ny mpijery ihany koa. Ny mikasika ny fisian’ireo mpivaro-kazo manamorona ny lalana fidirana  ato amin’ity kianja ity dia efa nanaiky ny fandaminana natao ireo mpivarotra fa hanala an’izany toeram-pivarotany izany.

Marihako fa efa nisy solontenan’ny FMF tonga nanome hevitra anay amin’ireo zavatra tokony hokarakaraina hahatomombana an’ity kianja ity tsara. Vonona izahay ny handray ny Fifa sy Caf izay ho tonga hanome fankatoavana an’ity kianja Stadium Barikadimy ity ary vonona ihany koa ny handray ny Barean’i Madagasikara sy ny ekipam-pirenen’i Côte d’Ivoire amin’ny faha-31 martsa 2020 izao.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT