Sport

Kianjan'Alarobia Hasiam-panamboarana ihany koa


  • Alakamisy 20 Febroary 2020

Vokatry ny fifanakalozan-kevitra teo amin'ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Malagasy, Atoa Tinoka Roberto, sy ny Ben'ny tanànan'Antananarivo Renivohitra, Atoa Andriantsitohaina Naina, dia hisy fanamboarana hatao ihany koa ao amin'ny kianjan'Alarobia.

 

 

 

Nidina nijery ifotony izany kianja izany ny minisitra sy ny delegasiona notarihany tamin’ny talata  18 febroary 2020 lasa teo notarihin’ny filohan’ny FMA, Andriamahazo Norolalao. Notetezina avokoa ny toerana rehetra toy ny « piste tartan » ny fanaovana « saut à longueur sy  saut à hauteur » ny toerana fanipazana « lancer de poids », hatramin'ny tany ambany gradin rehetra tany sy ireo toerana misy ny biraon'ny FMA « Federasion’ny Atletisma Malagasy » ankehitriny ka nahitana nivantana ny fahasimbana lehibe misy amin’ireo toerana ireo.
Hiara-kiasa akaiky ny minisiteran’ny MJS sy ny kaominin'Antananarivo Renivohitra CUA amin'ny fanarenana haingana ny kianja satria dia mampalahelo sy mahamenatra tokoa ny zava-misy hiainana eny an-toerana. Nanome baiko Atoa minisitra ny tsy maintsy hahavitana ny toerana fikotranana (salle de musculation) mialoha ny faran'ny volana martsa 2020 ho avy izao. « Tsy fotoana ipetrahana amin'ny birao intsony izao, hoy izy, fa dia hitsirika ireo toerana rehetra izay tokony hasiam-panovana ny tenany manomboka izao. Tsy afaka hanana taninketsa (relève sportive) isika raha tsy manana fotodrafitrasa manara-penitra ka rariny tokoa raha mifantoka amin'izany ny laharam-pahamehan'ny minisiteran’ny MJS ho an'ity taona 2020 ity.
Marihina fa ny kianjan'Alarobia irery ihany no nahazo fankatoavana iraisam-pirenena afaka mandray fifaninanana nasionaly sy iraisam-pirenena amin'ny taranja atletisma raha eto Madagasikara no resahina.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT