Sport

Kianjaben’i Mahamasina Ho lasa lehibe indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indianina


  • Alatsinainy 15 Jolay 2019

Nandritra ny lanonana goavana nandraisana ny Barea manoloana ny kianjaben’i Mahamasina ny sabotsy alina teo no nanambaran’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina fa hamboarina sy halehibeazina ny kianja monisipalin’i Mahamasina.

 

 

 

Atao mahazaka mpijery 50 000 mahery ary amboarina atao manaraka ny fenitra takian’ny FIFA ihany koa ny bozaka eo aminy, hoy ny filoha.Ny tanjona dia i Mahamasina no kianja lehibe sy raitra indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indianina , hoy izy.Natao izany rehetra izany mba hanandratana avo hatrany voninahi-pirenena amin’ny alalan’ny fanatanjahantena sy ho fanomezana fahafaham-po ireo atletantsika, hoy i Andry Rajoelina.Mendrika antsika izany hoy izy ary ho reharehantsika satria efa tena manana ny maha izy azy izao ny baolina kitra Malagasy : laharana faha enina aty Afrika ny Barea, efa miatrika avy hatrany ny CAN 2021 ary manana erijika hiatrika ny Mondial Qatar 2022 ihany koa.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT