Sport

Kianjaben’i Mahamasina Hotantanan’ny CUA tanteraka


  • Alakamisy 16 Febroary 2017

Nahavelombolo ny mpanao baolina Malagasy na ry zareo avy any ivelany koa ankehitriny ny hatsaran’ny bozaka filalaovam-baolina etsy Mahamasina ankehitriny.

  Nandanian’ny FMF na Federasion’ny Baolina Kitra Malagasy lelavolo nitentina 160.000.000 Ariary ny nanamboarana an’izany bozaka izany talohan’ny nandraisan’ny ekipan’ny Elgeco Plus ny ekipa Afrikanina Tatsimo tamin’ny alahady lasa teo ka tafiditra tao anatin’izany ny fanampiana nentin’ity farany. Omaly ary dia natolotry ny mpikambana eo anivon’ny federasiona notarihan’ny filoha lefiny, Andriamiasasoa Doda, ny kaominina Antananarivo Renivohitra nosoloin’ny filoha lefitra faha-2, Randriamorasata Julien, ny fitantanana manontolo an’ity kianja ity manomboka izao. Voalaza tetsy Mahamasina omaly fa mbola hisy tsy ho ela ny fifanarahana matotra hataon’ny roa tonta sonia amin’izany. An’ny vahoaka raha ny marina ny fotodrafitrasa tahaka itony fa mpikarakara fotsiny ny kaominina, hoy ity farany, ka tsy maintsy karakaraina tsara hifanaraka amin’ny tokony ho izy.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT