Kianja tsy mahazo fankatoavana

Ny fenitra iraisampirenena tsy fenitry ny fitondràna Rajoelina


  • Alatsinainy 03 Martsa 2025

Fanintelony izany izao ny Kianja Barea Mahamasina no tsy nahazo fankatoavana na «

homologation» avy amin’ny Kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra na CAF, izay rafitra iraisampirenena misahana ny baolina kitra aty Afrika. Isan’ny fanontaniana lasa manitikitika be ny sain’ireo mpanara-baovao, na hatramin’ireo mpanara-baovao tsy ara-panatanjahantena aza ny hoe fa maninona moa izany io kianja io tamin’ny fotoana naha Kianjan’i Mahamasina na Kianjaben’i Mahamasina azy fotsiny no toa nahazo fankatoavana ihany? Na tao anatin’ny fitondràna Tsiranana izay nanomboka ny taona 1958 aza io nankatoavina rehefa nisy lalao iraisampirenena nataon’ny ekipam-pirenena malagasy tamin’izany fotoana izany. Taty aoriana moa nitarina sy nasiana fanavaozana ka lasa nasiana ny antsoina hoe toerana mitafo na «tribune», ankoatran’ireo toerana tsy mitafo na «gradin». Ankehitriny, amin'ny saina tsy miangatra, hoy hatrany ny mpanara-baovao. Ny Kianja Côte d'Or ao Maorisy dia nahazo fankatoavana na "homologation" tamin'ny CAF. Lazao fa malalaka be ary ny "vestiaires" na fiakanjoan’ireo mpilalao ao amin’io kianja maorisianina io. Lazao fa mitokana tsara koa ny toeran'ny VIP sy ny VVIP na ny toeran’ireo olona heverina ho manana ny toerany eto amin’ny firenena sy nandoa sarana toerana ambony kokoa noho ny an’ny hafa ao amin’ilay kianja moa izany. Mitafo tsara ve ny toeran'ny mpanao gazety ary misy "tourniquets" na azo lazaina hoe fahafaha-manivana ireo olona mikasa hiditra ao an-kianja avokoa ny vavahady fidirana ao amin’ny kianjan'i Côte d'Or? Indro kely ahoana moa ny bozaka? Tsy ny bozaka ve no singa manan-danja indrindra ao anatin’izany antsoina hoe kianja filalaovam-baolina izany no lazaina fa «indro kely»? Misy koa moa ireo mampahatsiahy hoe toa tsy tahaka an’io endriny ankehitriny io no tena planina voalohany nokasaina hananganana izany kianja Barea izany? Fa maninona no tsy novitaina ny tafo fa ajanona ho kianja main’ny andro be tahaka an’io? Milaza ho fitondràna ho tompon’ny manara-penitra moa ity fitondràna ity saingy miharihary hatrany aloha izany, raha aty amin’ny tontolon’ny baolina kitra no resahina, fa ny fenitra iraisampirenena tsy fenitry ny fitondràna Rajoelina matoa ny kianja malagasy matetika tsy mahazo fankatoavana tahaka an’io.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT