Sport

Kianja sentetika Vontovorona Montsan’ny CNaPS Sport 9-1 ny A.E Ramassa


  • Alatsinainy 23 Aprily 2018

Montsan’ny CNaPS Sport Madagasikara 9-1 ny A.E Ramassa ekipa diviziona faha-3 avy any Espagne omaly alahady 22 aprily teny amin’ny kianja sentetika teny Vontovorona, tamin’ny lalao baolina kitra ara-pirahahiana hoan’ny Tanjon’ny Fampandrosoana Lovain-jafy faha-16.

 
 Baolina matin’i Nandô ny 3 tamin’ireo.  I Bora nampiditra baolina 2 ary samy nahatafiditra baolina 1 avy kosa i Eric sy Ronald ary Bernardin sy Tendry. Adila kosa no nampididtra ny baolina tokana matin’ny vahiny.  Ny Ong  Yamuna avy ny Barcelone tarihan’ny Delégué expatriée, Rtoa Para Léon Natalya, ary manana ny masoivohony nisokatra eny Vontovorona eto Madgasikara tamin’ny taona 2004 tantanan-dRtoa Razakarivony Yolande, no tompo-marika tamin’ny fanatontosana ny hetsika teo ambany fiahian’ny Pnud sy ny Ministeran’ny Fanatanjahantena Malagasy ary ny FMF na Federasion’ny Baolina kitra eto Madagasikara. Ity Ong ity no nifampiraharaha tamin’ny ekipana baolina kitra mpanao asa soa A.E Ramassa tany Espagne ka natao indrindra hanangonam-bola ho an’ny Ong Yamuna Madagasikara izay miahy manokana an’ireo vehivavy sahirana eny Vontovorona ka nahatonga azy ireo hanangana kaoperativa sy fiahiana koa ny ankizy mpianatra ao amin’ny Epp Vontovorona sy Antanetibe ary Imerimanjaka ity hetsika ity. Efa fanaon’ity ekipa Espaniola ity tany amin’ny tany maro izao hetsika izao izao nentina teto Madagasikara. Nisy ny fanolorana fitaovana ara-panatanjjahantena an’ireo mpilalaon’ny CNaPS Sport Madagasikara avy amin’ny Fc Barcelone tamin’ny fiafaran’ny lalao.

 

Ntsoavina Evariste

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT