Sport

Kianja sentetika etsy Mahamasina Ho jerena aorian’ny fetin’ny 26 jona hoy ny minisitra Jean Anicet


  • Zoma 19 Jona 2015

Samy hafa ny mikasika ny bozaka sentetika any Fianarantsoa izay ho apetraka tsy ho ela amin’ny kianja monisipalin’Ampasambazaha sy ilay naha-be resaka tokony hatao etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina.

 

 Ity farany dia efa any amin’ny Federasiona hatry ny ela miandry ny toerana hametrahana azy fotsiny fa ny an’i Fianarantsoa efa tetikasa hafa mihitsy. Raha efa milamina, araka izany ny any Matsiatra Ambony dia ambarako fa ho jerena aorian’ny fankalazana ny fetim-pirenena ny 26 jona izao kosa ny etsy Mahamasina. Tsiahivina fa efa nilaza Atoa ministra fa efa nilamina ny amin’ny fankatoavan’ny tompon’andraikitra isan’isany amin’ny hanatontosana ity tetikasa ity fa resaka fifandaminana any ambony any sisa andrasana. Dia ho hita eo fa heverin’ny maro fa mba hanampy ireo mpilalao hampakatra ambony ny haavo teknikan’ny baolina kitra efa nahazoam-bokatra tsara tany amin’ny Cosafa Cup 2015 ity fametrahana ny bozaka sentetika etsy Mahamasina ity.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT