Sport

Kianja sentetika Andohalo Lasan’ny ekipan’ny Ludogorets ny amboara lehibe


  • Talata 26 Desambra 2017

Noho ny fiaraha-miasa 3P (CUA Antananarivo Renivohitra tompon’ny tany sy ny fikambanana kianja sentetika Amborompotsy Talatamaty tarihan-dRasoamaromaka mivady ary ny Région Iles de France) no nahavitana ny kianja sentetika eny Andohalo nisy ny zaridaina teo aloha.

Na dia mbola amin’ny fiandohan’ny taona 2018 ho avy aza no tena hanombohan’ny fampiasana an’ity kianja filalaovana “Foot à 7” ity dia nikarakara ny “tournoi The Best Fans” teny an-toerana kosa nisantarana ny kianja ny sabotsy 16 desambra sy ny 23 ary 24 desambra teo ny fikambanana tanora Gasy Foot. Ireo ekipa nahitana an’ireo tanora “fans” an’ireo ekipa mpanao “Champion’s League” any Eoropa niisa 24 no nandray anjara ka anisan’izany ny Real de Madrid, Bayern de Munich, Manchester United, Manchester City, Chelsea ary ny Ludogorets misy an’i Anicet no nandray anjara ka lasan’ity farany ny amboara lehibe mitovy amin’ny amboara “champion’s league”  tena izy mihitsy miampy lelavola 200.000 Ariary avy amin’ny Gasy Foot sy fahana 450.000 Ariary avy amin’ny orinasa Telma rehefa nandresy ny ekipan’ny Manchester City tamin’ny 2-1 ry zareo. Marihana fa anisan’ireo mpijery tonga nanatrika an’ity fihaonana ity nivantana teny Andohalo i Abel Anicet.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT