KIANJA SENTETIKA AMBOHIDRAKA

Ho azo hilalaovana amin’ny alina amin’izay ato ho ato


  • Zoma 14 Jona 2024

Ho azo hilalaovana amin’ny alina amin’izay raha tsy misy ny delestazy ny kianja sentetika ao Ambohidrazaka,

kaominina Alasora manomboka amin’ny 25 Jona ho avy izao. Efa nasiana jiro mantsy izany ho fanomezana fahafaham-po ny mpilalao indrindra fa ireo tanora mivondrona ao anaty fikambanana avy ao Alasora hisorohana azy ireo amin’ny fidonanam-poana ka hihafara amin’ny fisotroan-toaka sy ny fidorohana zava-mahadomelina. Ankoatra izay dia fantatra fa hametrahana toerana fisoloana akanjo ihany koa ao amin’ity kianja ity, hiampy ny trano fivoahana ho fitandroana ny fahadiovana. Ho an’ny ambina tany indray dia nambaran’ny Ben’ny tanana Randriantso Jimmy fa hananganana kianja sentetika kely ihany koa hamolavolana ireo taninketsa ka ireo zazalahy kely vao misondrotra. Zazalahy kely miisa 180 manerana ireo Fokontany 20 ihany koa tao Alasora no vita didimpoitra maimaim-poana. Nanomboka ny Talata 11 Jona lasa teo izany nifarana omaly Alakamisy 13 Jona izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena avokoa.
Pati
Legende : Efa misy jiro tahaka izao ilay kianja sentetika ary azo hilalaovana amin’ny alina tsara !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT