Sport

Kianja Saint-Leu-la Foret Frantsa Voatazon’i Comores ady sahala ny Barea mpila ravinahitra


  • Alatsinainy 13 Novambra 2017

Azo ambara fa nahaliana ny mpijery baolina tany Frantsa, indrindra ireo mpila ravinahitra Kaomoriana sy Malagasy monina any amin’ity firenena ity ny nanaraka ny lalao ara-piralahiana « derby de l’Océan Indien »

nifanandrinan’ny Barean’i Madagasikara mpila ravinahitra any ivelany sy ny Coelacanthes-n’i Comores tamin’ny sabotsy 11 novambra teo fa feno hipoka ara-bakiteny ny fijerem-baolina tao amin’ny kianjan’i Saint-Leu-la Foret nanatanterahana ny lalao. Vao teo amin’ny minitra faha-6 ny fizaram-potoana voalohany dia efa nahatafiditra baolina tamin’ny alalan’ny daka an-jorony nodakan’i Carolus ary nampidirin’i Pascal Razakanantenaina  tamin’ny lohany ny Barea ary nosahalain’ny Kaomorianina teo amin’ny minitra faha-9 ny fidirana faharoa, baolina matin’i Youssouf M'Changama. Dia io ady sahala 1-1 io no nisarahan’ny roa tonta. Na dia hita ho nanatombo ara-teknika sy fitazonam-baolina aza ny Barea dia nifandanja tsara ny lalaon’ny roa tonta ary somary naherihery vaika aza ny fifandonana, indrindra taorian’ny “tacle derrière” nahazo ny mpilalao Kaomoriana iray teo amin’io fidirana faharoa io. Tsy mbola masaka ny fiarahan’ireo mpilalao Malagasy mpila ravinahitra sy ny rindran-damina napetraky ny mpanazatra René Dupuis.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT