Sport

Kianja rugby eny Imamba Soavimasoando Miverina hampiasain’ny klioba RCTS indray


  • Alatsinainy 15 Jona 2020

Miverina hampiasain’ny klioba RCTS « Rugby Club Tanora Soavimasoandro » indray ny tany misy ny kianja rugby eny Imamba Soavimasoandro rehefa nitoerana olona ara-pitantanana hatramin’ny taona 2014 nisian’ny fividianan’olon-tsotra azy io.

Rehefa nojeren’ny fitondrana ankehitriny dia mbola voatana tsara ny maha « zône de recagement » an’ity toerana ity, hoy ny filohan’ny klioba RCTS, Andrianarisoa Avotra Tokiniaina, ka niverina ho tanim-panjakana ity tany ity ary dia izao nomeny i klioba izao indray aloha ary dia naverina amin’ny laoniny ny kianja rugby eny an-toerana sady misy ampahana tany hambolenay vary koa eo ambadiny eo. Naverina ihany koa, hoy ity filoha ity, ny fangatahanay hisitraka an’ity tany ity ho fananan’ny klioba RCTS tanteraka to yizao efa nataonay tany aloha tany talohan’ny nisian’ny disadisa. Nisy ary ny lanona ofisialy tsotsotra natao teny Imamba misy ny foiben’ny klioba RCTS tamin’ny sabotsy 13 jona 2020 lasa teo nentina nanamarihana an’izany fiverenan’ny tany ho tantanan’ny RCTS izany ary nampifandrindran-dalana tamin’ny hetsika fizarana akanjo mafana, toy ny efa fanaon’ny RCTS isan-taona rehefa volana jona tahaka izao, hoan’ireo ankizy lahy sy vavy sokajy rehetra mianatra rugby ao aminy izay niisa hatrany amin’ny 200 mahery tany ho any niaraka tamin’ireo mpilalao « sénior » ao amin’ny RCTS ary koa ireo ray aman-drenin’izy ireo avy. Mba ho fandraisana anjara mavitrik’ity klioba ity amin’ny fahasahiranana mianjady amin’ireo ankizy milalao ao aminy noho ny fiatrehana ny « confinement » ateraky ny ady atao amin’ny tsimokaretina covid-19 dia nisy ihany koa fanolorana paty sy akondro an’ireto ankizy ireto. Heverina hotohizana isaky ny sabotsy kosa anefa ny fanomezana an’izany ho an’ireto ankizy ankizy ireto ka paty miisa 400 sy akondro 50 kg no hozaraina amin’izany. Marihana fa hatramin’izay niatombohan’ny «confinement » izay dia fonosana paty niisa 5000 (nahatratra 85 baoritra) sy akondro 600 kg no efa nozaraina teny amin’ny RCTS Imamba. Tsiahivina fa tamin’ny taona 1972 no niforonan’ity klioba ity ka ASFT no anarany tamin’izany. Tamin’ny taona 200 kosa izy no nivadika ho RCTS. Ao amin’ny sokajy “D-1 elite 2” eto Antananarivo-Renivohitra no misy azy ankehitriny ka misy mpilalao vahiny miisa hatrany amin’ny 10 any milalao ao anatiny. Tanjona, hoy Atoa Tokiniaina, ny hahatafakatra ny klioba any amin’ny Top Federale.

 

Ntsoavina Evariste

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT