Sport

Kianja Rabemananjara Tombanana ho vita ny fiandohan’ny 2023 ny fanarenana


  • Alatsinainy 21 Novambra 2022

Nanolotra fitaovana ho an'ireo klioba miisa 16 mandray anjara amin'ny "Orange Pro League" na OPL toy ny baolina kitra entina miatrika ny taom-pilalaovana 2022-2023 ny fitondram-panjakana.

Nanomboka ny sabotsy 19 novambra teo ary tsy hifarana raha tsy ny volana jona 2023 indray moa ny taom-pilalaovan’ny OPL izay fifaninanana eo amin’ny taranja baolina kitra ho an'ireo klioba matihanina eto Madagasikara ity. Nanome toky tamin'ny alalan'ny mpitondra tenin'ny filoham-pirenena, Ranoromaro Lova Hasinirina, ny fitondram-panjakana fa handray an-tanana ny fandanian'ireo klioba izay tafavoaka amin'ity fifaninanana ity ka hisolotena an'i Madagasikara eo amin'ny sehatra afrikanina. Vahana ny olana eo amin'ny resaka kianja. Hatolotra hilalaovana ireo kianja manara-penitra efa vita. Hitondra fanarenana ny kianja Rabemananjara Mahajanga ny fitondram-panjakana ary tombanana ho vita ny ny fiandohan’ny taona 2023 izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao sy fanazavana.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT