Sport

Kianja mitafon’Antsirabe Miroso ny asa fanorenana


  • Zoma 10 Novambra 2017

Mandeha tsara ny asa fanorenana ny “Gymnase” na kianja mitafo ho an’ny tanànan’Antsirabe. Efa ho tapa-bolana no nanombohana ny asa eo amin’ny kianjan’ny piste Vatofotsy.

 

 Velaran-tany hatrany amin’ny 3.000 metatra tora-droa no hanorenana azy. Tonga nitsidika ny fandehan’ny asa fanorenana ny mpanolotsaina manokan’ny filoham-pirenena, Hugues Ratsiferana sy ny lehiben’ny faritra ary ny ben’ny tanànan’Antsirabe. Nohamafisin’Atoa Hugues Ratsiferana fa tafiditra ao anatin’ny fampanantenan’ny filoham-pirenena ity tetikasa ity ka tsy maintsy notontosaina. Nambarany fa tsy hisy fampandrosoana vanona raha tsy misy ny fikolokoloana ny tanora. Hisy toeram-pilomanosana izy io ary azo handraisana fifaninanana iraisam-pirenena ihany koa, toy ny toeram-pilalaovana baskety sy hand-ball izay hanara-penitra tokoa. Nambaran’ny ben’ny tanàna Razanakolona Paul fa mitentina 3 miliara sy sasany ity fotodrafitrasa ity. Nisaorany manokana ny lehiben’ny faritra nanolotra ny tany hanorenana ny fotodrafitrasa. Hahazaka olona hatrany amin’ny 3.000 indray miditra ny Gymnase ary ho azo ampiasaina na andro na alina rehefa vita. Hisy ny jiro hiaraka aminy. Fanirian’ny ben’ny tanàna ny hitokanan’ny filoham-pirenena ny fotodrafitrasa amin’ny volana jona 2018.

Caius R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT