Sport

Kianja manara-penitra Vola nariam-potsiny ny ao Moramanga ?


  • Alatsinainy 14 Martsa 2022

Taorian’ny naha dibo-drano azy tamin’ny andron’ny rivodoza, mitohy ny maha lasa toeram-panariam-pako ny kianja manara-penitra ao Moramanga.

 Lasa firaofan’ny vilona ihany koa, raha ny fampitana an-tsary avy any an-toerana. Volam-panjakana tsy toko tsy forohana no natontona sy nolaniana tamin’ireny, saingy tahaka ny vola natsipy teny ambaravarankely, raha dinihina amin’ny zava-misy. Vao tsy ela akory izay no nahatrarana raharaha halatra fingotra hnamboarana kianja manara-penitra tany amin’iny faritra Alaotra Mangoro iny ka heverina fa misy ifandraisany amin’izany ny mety tsy fahavitan’izy ireny hatramin’ny farany. Toa miharihary sy voaporofo ihany koa fa zavatra tsy laharam-pahamehana, saingy iniana atao any fotsiny, ka tsy atao mahagaga raha izao no miseho. Izao ve no atao hoe: fahaiza-mitantana sy fahaizana mamaritra ny laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT