Sport

Kianja filalaovam-baolina Lasa olana lehibe eto an-drenivohitra


  • Talata 19 Desambra 2017

Maro ireo mpilalao baolina kitra eto an-drenivohitra, indrindra fa ny any amin’ny faritra iva no tsy manana kianja filalaovam-baolina intsony.

 Anisan’ny manampy ny olom-pirenena tsirairay avy hiala voly anefa ny fisian’izy ireny sady miaro ny tanora tsy hanaotao foana ihany koa. Ho an’ny Stade de l’Ikopa etsy Anosizato Andrefana manokana, toerana efa nohajarian’ny fikambanana HAFARI Malagasy hatramin’izay dia fanirian-dRafanomezantsoa Jean Nirina ny hahatonga azy io ho kianja lehibe indrindra hilalaovana baolina kitra sy baolina lavalava. Nisy ny lalao famaranana notanterahina teny an-toerana ny alahady teo ka nanoloran’ny fikambanana omby  iray ho an’ny mpandresy. Nambaran-dRafanomezantsoa  Jean Nirina nandritra izany fa fony tsy nigadra ny tenany dia efa nanajary io toerana io ary  hatramin’izao dia mitohy hatrany ny asa sosialy hiantsorohany  entina hanampiana ny mpiara-belona.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT