Sport

Kianja Barikadimy - Toamasina “Ny Club des supporteurs ihany no hijery lalaon’ny Barea”


  • Talata 30 Martsa 2021

Manoloana ny fiparitahan’ny valan’aretina covid-19 sy ho fitsinjovana ny fahasalaman’ny

 

 

 rehetra dia hahena faran’izay vitsy ny mpijery ny lalao izay hihaonan’ny Barea amin’i Niger any Toamasina anio. Tsy hisy ny tapakila hamidy mandritra io lalao io ary ny "Club des supporteurs" ihany no afaka hijery sy hanohana ny Barea ao amin’ny Kianja Barikadimy satria mila fanohanana ny ekipantsika noho ny maha zava-dehibe ity lalao ity, hoy ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Tinoka Roberto. Tsy maintsy hatao anatin’ny fanajana tanteraka ny fepetra izany rehetra izany, ary hisy ny fanaraha-maso hentitra amin’ny fampiharana izany, mba tsy hiparitahan’ny valan’aretina. Raha izay no ao anatin’ny kianja dia nanambara ihany koa io Minisitra io, fa tsy hisy intsony ny fijerena mivantana ny lalao amin’ny alàlan’ny « écran géant » na eny ankalamanjana izany na anaty efitrano na ilay antsoina hoe: “fan zone”. Izany no natao dia mba tsy hisian’ny olona mitangorona ka mety hampitombo isa ireo olona marary noho ity valan’aretina covid-19 ity. Nanentana ny rehetra izy mba hanaraka antsakany sy andavany ny toromarika rehetra izay hapetraka satria izay ihany no antoky ny fahombiazana amin’ny zavatra izay ho tanterahina. Nentiny namarana ny teneniny dia nambarany fa miankina amin'ny Barea ny fanantenan'ny Malagasy rehetra sy ireo mpitia Baolina kitra amin'izao "Qualification CAN 2022" izao. Azo hatokisana sy eritreretina noho izany ny fandresentsika satria rehefa avy nifampiresaka tamin'ireo mpilalao, dia vonona hanome ny tsara indrindra izy ireo sy hanao ny fara heriny handrobahana ny fandresena, hoy I Tinoka Roberto.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT