Sport

Kianja Barea Volam-panjakana manontolo no hanaovana azy


  • Alatsinainy 28 Septambra 2020

Nambaran'ny Komity Mpanataneraka na ny “Comité Exécutif” eo anivon’ny FMF ny faran’ny herinandro teo, fa tsy misy fanampiana avy any amin'ny FIFA ny fanamboarana ny kianjaben'i Mahamasina na ny Kianja Barea.

 

 

Ny fanjakana Malagasy no miantoka manontolo ny lany, 77 tapitrisa dolara na manodidina ny 277 miliara ariary eo raha ny resaka tany am-piandohana no tetibidin'ny asa. Amin’ny lafiny iray, dia karazana serasera io hoentina mandoka sy milaza fa miasa sy manam-piniavana ny Fanjakana na tsy misy aza ny tohana avy amin’ny FIFA, manam-bola,… Manana 77 tapitrisa dolara laniana amina kianja kanefa mitaloha amin’ny Tahirim-bola Iraisam-porenena (FMI) ka ny 27 agositra no nilazan’ny FMI fa nangataka ny hamenoana ny fanampiana “Facilité de Crédit Rapide” na FCR i Madagasikara. Nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian fa haompana any amin’ny fandoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana sy hampiodinan-draharaha ny ankamaroan’ny fanampiana iraisam-pirenena. Aiza, hoy izy tamin’izany ny handoavana an’ireo? Ny vahoaka very asa etsy ankilany, ny orinasa sahirana tanteraka tsy misy mpiahy fa rehefa hitaky trosa maika ery ny mpitondra,… Nahavita izay vitany ho an’ireo very asa sy orinasa sahirana ny 77 tapitrisa dolara, raha tena nampiasaina amina sehatra mamokatra. Marina fa velirano angamba io, kanefa tsy ny kianja no ratsy fa ny tsy fahasahiana manapa-kevitra hoe ity aloha no laharam-pahamehana izao, fa ity ajanona kely, dia tohizana rehefa metimety fiainana ara-tsosialy. Izay tokoa angamba ilay hoe izahay aloha no eto dia izay tianay ihany io ?

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT