Sport

Kianja Barea Tsy vita ny 7,99%-n’ny asa nifanarahana


  • Alarobia 01 Desambra 2021

Nifarana omaly 30 novambra 2021 ny fe-potoana fifanarahana eo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny orinasa Sinoa amin'ny fanamboarana ny kianja Barea.

 Milaza ny Fajakana fa ny 7,99% ny asa no tsy vita tahaka ny fampihaingona ny "gradin" sy ny fanajariana ny ivelan'ny kianja, izay mitentina 6 tapitrisa dolara mahery kely eo ny vola aloa aorinan'ny fahavitan'ny asa. Nambaran’ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toera-ponenana Atoa Andriamanohisoa Gérard, fa misy ny antoka herintaona ny asa vita, ka mbola anjaran'ny orinasa Sinoa avokoa ny manarina izay rehetra mety tsy ho fahatomombanana mandritra izany. Nomarihina fa amin'ny mahatompon'asa ny fanjakana Malagasy, ny ministeran'ny fiarovana, dia izay drafitra nampanaovina ny Sinoa no tanterahiny, fa tsy anjarany izay mety fahadisoana na tsy fahampiana teo ampanaovana ny fandinihina ny asa. Efa nilaza rahateo ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toera-ponenana, fa tsy miditra amin’izay fatiantoky ny Sinoa any ny Fanjakana fa ny fifanarahana ihany no fantany. Izay tsy mifanaraka amin'izay asa nampanaovina izay ihany no andraikitry ny orinasa Sinoa nanatanteraka ny baikon'asa, ka ny orinasa mpanara-maso nanankinana ny fanatontosana ny bokin'andraikitra no anisan'ny tompon'antoka miaraka amin'ny tompon'ny asa raha misy olana toy ireny dobon-drano ireny. Tsiahivina moa fa tao anatin’ny taratasy fitakian-trosa nataon’ny orinasa CSCOD (China Construction Overseas Development Madagascar), dia nilaza izy ireo fa misy ampaham-bola mitentina 17.321.614,90 dolara mbola tsy voaloa. Nanitrikitrika kosa ny Fanjakana fa 6 tapitrisa dolara mahery kely teti-bidin’io 7,99% tsy vita io sisa ananan’ny orinasa amin’izy ireo. Io nambara fa tsy vita araka ny fifanarahana io anefa ka asa izay hiafarany ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT