Kianja Barea tsy mety mahazo fankatoavana

Misy fitaovana nafarana, 2 volana no ananan’ny mpitantana


  • Alakamisy 19 Jona 2025

Ny Kianja nandaniana 77 tapitrisa dolara mbola tsy misy fankatoavana hatramin’izao,

ny Barea mioty faharesena lava,… Izany no manarika ny kitra Malagasy ankehitriny. Milaza indray ny manam-pahefana, fa mbola manana 2 volana farafahakeliny ireo tompon'andraikitra amin'ny fampanarahana fenitra ny kianjan'ny Barea, hanatsarana ny bozaka mba hifanaraka amin'ny toromarika avy amin'ny CAF (Confédération Africaine de Football). Nanambara ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Moustapha Marson ny talata teo, araka ny tatitry ny fampahalalam-baovao iray, fa mbola miandry fitaovana sasantsasany ho an’ny fikarakarana ny bozaka. Nolazaina fa efa misy fitaovana ampahany ary efa eo am-pelatanan'ny FMF (Federation Malgache de Football), fa mbola miandry ny ampahany hafa. Rehefa tonga avokoa ny rehetra dia hanomboka ny fanatsarana ny bozaka. Rehefa vita izany, dia hiandry ny fanamarinana avy amin’ny CAF ny kianja, amin'ny alalan’ny fitsirihan'ireo mpanara-maso. Nanamafy ilay manampahefana fa amin'ireo soso-kevitra sy fanatsarana 9, dia efa voamarina avokoa ny 8, ka ny fanatsarana ny bozaka sisa no miandry mba hahazoan’ny kianja ny fankatoavana. Tamin'ny volana martsa, dia efa naniraka teknisianina ho avy teto Madagasikara ny CAF hanampy ireo manam-pahaizana Malagasy amin'ny fikarakarana ilay bozaka. Tokony hilalao ao Mahamasina ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny volana septambra, amin’ny lalao manan-danja amin’i Tchad sy Afrika Afovoany, andro faha-7 sy faha-8 amin’ny fifaninanana ho amin’ny Mondial 2026. Nilaza ny mpanazatra Corentin Martins fa tiany ho eto Madagasikara no hatao ireo lalao roa ireo. Dia andrasana indray ny tohiny fa hatreto dia manana kianja fa tsy azo ilalaovana. Manana teleferika nitrosana 151 tapitrisa euros fa tsy azo taingenana hatreto. Sady tsy takatry ny mahantra no tsy ilain’ny mpanan-karena, fa dia karazan’ny fampidiran-trosa sy fampidiran-kizo ny Firenena. Manana hopitaly manara-penitra fa tsizarizary, ary ny mandeha mitsabo tena any ivelany ny mpitondra,… Izany no zava-misy eto !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT