Kianja Barea nandaniana 77 tapitrisa dolara

Nolavin’ny CAF indray, sady marary no manala baraka…


  • Zoma 28 Febroary 2025

Ofisialy omaly fa any Maraoka no hampiantrano ny lalao izay hifanandrinana amin’ny Black Stars

an’i Ghana ny Barean’i Madagasikara amin’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny dingana famaranan’ny Mondial FIFA 2026 ho an’ny andro faha-6 ny alatsinainy 24 martsa 2025, aorian’ny fanafihantsika an’i Centrafrique ny 19 martsa. Tokony hatao eto Antananarivo ity lalao ity, saingy nafindra any Al Hoceima Maraoka ny 24 martsa amin’ny 7ora hariva noho ny tsy faneken’ny CAF ny kianjan’i Madagasikara. Ny Ganeanina no nanao ny serasera voalohany, raha toa ka ninia nanafina sy tsy nanao serasera mikasika an’io mihitsy ny FMF sy ny Fanjakana, izay inoana fa nahalala. Nandeha ny resabe izay vao namoaka ny fandaharan-dalaon’ny Barea, izay namaly sy niaiky an-kolaka fa tsy atao eto ny lalao, tsy nahazo fankatoavana ny kianja. « Vitantsika tamin’ny 2021 ny kianja ara-dalàna. Ny CAF no nanao ny antoka sy fiarovana na « sureté » sy « sécurité ». Afa-po tanteraka izy ireo raha ny fijeriko azy, ny Fanjakana dia efa niezaka nanatontosa ireo teboka 9, tsy lojika raha tsy mankatoa ny CAF », hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana Gérard Andriamanohisoa ny 12 martsa teo nandritra ny fitsidihan’ireo ireo mpitsirika avy amin’ny CAF sy ny FIFA kinanjo io ny valiny. Dia aiza izany izao ? Raha ny lalànan’ny CAF, 75 andro mialohan’ny lalao no tokony ho hahazo fankatoavana ny kianja. Voatsipaka am-bavafo indray ka sady marary no mahamenatra. Kianja nandaniana 77 tapitrisa dolara na 280 miliara Ar, saingy efa an-taonany tsy afaka handraisana lalao iraisam-pirenena. Fahafaham-baraka tanteraka ho an’ny Fitondrana Rajoelina, saingy tsy mba hanaiky ny tsy fahamatorana sy tsy fahombiazana, tahaka io atao amin’ny politika sy fitantanana Firenena io ihany. Raha miverina amin’ny Barea, vao niova mpanazatra ary mametraka fanamby fa tsy maintsy ho tafakatra amin’ny Mondial 2026. Amin’ity fitantanana kitoatoa ? Stratejika be ho antsika ny lalao roa farany satria fahatelo vonjimaika isika izay manana isa 7 raha i Comores no voalohany ary i Ghana no faharoa izay samy manana isa 9 avy, samy manana fandresena telo sy faharesena iray. Ny famindrana ny lalao any Maraoka dia midika fatiantoka ho an’i Madagasikara satria very ny tombony amin’ny fanohanan’ny mpijery eto an-tanindrazana, raha toa ka tsy maintsy hitady fandresena ny Ganeanina izay miady toerana voalohany amin’i Comores. Ny voalohany isambondrona no ho tafita mivantana amin'ny Mondial 2026 hotanterahina any USA, any Mexique ary any Canada. Ny faharoa isam-bondrona tsara toerana indrindra miisa 4 dia hiady tapakila 1 amin'ny Kaonfederasionina sasany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT