Kianja Barea

Mandray fampiofanana nefa tsy nahazo fankatoavana


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2024

Sary hafa kely indray no niseho tetsy Mahamasina ny 6 ka hatramin'ny 8 aogositra teo.

Na dia tsy nahazo fankatoavana tamin'ny CAF aza ity Kianja Barea ity dia tsy nanakana ny handraisana ny fampiofanana mikasika ny fitandrovana ny filaminana amin'itony kianja itony izany. Nahatratra 40 ireo mpiofana ary ankoatra ireo olon-tsotra miandaikitra indrindra ny fitandrovana ny filaminana dia nahitana koa ireo Polisy sy Zandary.Teknisiana avy amin'ny CAF no nizara traikefa tamin'ireo mpiofana ka nahitana an'i Ferguson Abd Ei Hafid, Sene Aboubacar ary i Steinberg Katharina. Ny fanontanina tokony napetraka aloha dia ny hoe inona no tokony hatao maika mba ahazoana fankatoavana satria raha izao no mitohy dia mety tsy hisy klioba intsony handray anjara amin'ny fifaninanana eto Afrika satria lasa mandoa in-droa noho ny tsy fisian'ny kianja handraisana ireo lalao. Raha ny Elgeco izay heverina fa mpanefoefo aza voatery mijanona any Luanda no handray ny lalao nohony antony ara-bola dia iza indray no sahy hidi-kizo eo ?
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT