Sport

Kianja BAREA Mahazaka mpijery 40 000


  • Alatsinainy 14 Jona 2021

Efa vita hatrany amin’ny 90% ny asa fanamboarana ny kianjan’i Barea Mahamasina,

 

 

 izay manaraka ny fenitra takian’ny FIFA. Mahazaka mpijery hatrany amin’ny 40.000 isa ity kianja ity raha antsasak’izany teo aloha. Mizara roa miavaka tsara ny kianja. Misy ny zone A izay ahitana efitrano natokana ho an’ireo manam-pahefana, ny mpanao gazety….. eny amin’ny tribune. Ho an’ny zone B kosa dia natokana ho an’ny gradin rano fotsiny natao ho an’ny sarambabem-bahoaka. Ahitana seza ho an’ireo olona manana fahasembanana miisa 90 ao anatin’ny kianja ho fanomezan-danja azy ireny. Misy ihany koa ny lalana hahafahan’ny mpamonjy voina miditra raha sanatria ka misy loza mitranga, fenitra izay takian’ny FIFA ihany koa. Mahatratra 6 moa ny vavahady fidirana ao amin’ity kianjaben’i Barea ity. Ny Sabotsy lasa teo no noraisina vonjy maika ny kianja natrehin’ny mpanolontsaina manokan’ny Filoham-pirenena Atoa Gerard Andriamanohisoa. Tsara ho marihana fa manana milina mpamokatra herinaratra manokana ho azy ny kianja Barea

Pati ‘

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT