Sport

Kianja Barea - Mahamasina Misy antony tsy mazava ny tsy fahafehezana ny tekinolojia


  • Talata 07 Febroary 2023

Tsy vao farany teo no nahenoana hoe tsy mandeha ny jirobe sasany tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina.

Saika tsikaritra matetika io tao anatin’ireo lalao ofisialy noraisina teo an-toerana. Mbola nitranga indray izany farany teo. Toy izany koa ireo fimaso lehibe na “grand écran” izay tsikaritra fa nizara roa ny sary hita, ohatra, ny alahady teo. Na miseho ny sary amin’ny tapany ambony dia tsy hita ny tapany ambany na mifamadika amin’izay. Tsikaritra ho misy tsy fahafehezana hatreto ny tekinolojia ao Mahamasina. Misy antony tsy mazava ary mampametra-panontaniana hoe mbola tsy nozarain’ireo nanamboatra ny kianja, indrindra, ireo tekinisianina nandrafitra ny rindrambaiko miasa ao anaty kianja ve ny fampiasana ireo fitaovana rehetra ao anatiny ao no manano-sarotra hatrany ny mamaha ny toe-draharaha toy ireny? Efa voaloa daholo indray ve ny volan’ireo orinasa nanao ny kianja izay nampaneno lakolosy ny desambra 2022 teo? Aiza ho aiza ny mikasika ilay 2.674.331,95 dolara voalaza ho 3,46%n’ny saram-panamboarana mbola isan’ny tsy voaloa ? Toy izany koa ny resaka fanonerana ny hetra fanampiny mitentina 1.623.960.785,17 Ariary? Miandry ny fanazavan’ny tompon’andraikitra !

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT