Sport

Kianja Barea Mahamasina Hotokanana sady handray lalao lehibe ny 2 septambra


  • Alarobia 25 Aogositra 2021

Hotokanana ny 2 septambra ho avy izao ny Kianja Barea eny Mahamasina, raha ny fampahafantarana nataon’ny Fiadidian’ny Repoblika.

Fotoana mifanandrify indrindra amin’ny lalao voalohan’ny Barea amin’ny fifanintsanan’ny “Mondial 2022” hifanandrinana amin’i Bénin ny takarivan’io 2 septambra io. Hanomboka amin’ny 10 ora maraina ny lanonam-pitokanana ny Kianjan’i Barea, izay azo antoka fa ny Filoham-pirenena no hitarika izany. Fampanantenana taorian’ny niverenan’ny Barea avy niatrika ny CAN 2019 tany Egypte ny fanitarana ny Kianja. Ny janoary 2020 no nanomboka ny asa izay nataon’ny orinasa sinoa CSCOD (China state construction overseas development). Nahatratra 77 tapitrisa dolara na 280 miliara Ar teo ny vola natonton’ny Fanjakana tamin’izany, izay niteraka adihevitra maro noho isika tao anatin’ny krizy goavana ara-toekarena sy ara-tsosialy, ary indrindra ara-pahasalamana. Isan’ny nohavaozina ny “gradin” izay afaka handraisana mpijery miisa 40 000 mipetraka, ary novaina ihany koa ny bozaka, ankoatra ireo mpitsopitsony maro ara-teknika, ary eo ihany koa ny ampahany izay naompana amin’ny lafiny ara-barotra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT