Sport

Kianja BAREA Mahamasina Hahazaka olona 16 000 ny Tribune Centrale


  • Alakamisy 20 Febroary 2020

Hanamarika ny fivoarana sy hanandratra avo ny fanatanjahantena Malagasy ity fanavaozana atao eto amin’ny kianjan’i Mahamasina ho lasa kianja Barea ity fa tsy mena-mitaha amin’ireo hita any ivelany,

 

 

 

hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina raha tonga nijery ny fandroson’ny asa ataon’ny Sinoa izy sy ny delegasiona notarihany tamin’ny alatsinainy 19 febroary lasa teo.

Mandroso ny asa fampanaraham-penitra ny kianja raha ny hita teny an-toerana ary voalaza fa hovitaina mialoha ny fankalazana ny fahenimpolo taona nahazoana ny fahaleovantena, amin’ny 26 jona 2020 izao, ny dingana voalohany dia ny fanamboarana ny "tribune centrale" izay hahazaka olona manodidina ny 16.000 isa. Hampitomboina 28 ny isan'ny fidirana ao an-toerana raha 6 monja izany teo aloha mba tsy hisy intsony ny loza handratràna na amoizana ain’olona rehefa tonga mijery lalao na lanonana eto, hoy hatrany ny filoham-pirenena. Ny "pelouse" ihany koa dia hampanarahana ny fenitra fahita any ivelany.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT