Sport

Kianja Barea Mahamasina Efa azo ilalaovana amin’ny volana martsa


  • Alatsinainy 04 Janoary 2021

Lalao roa be izao no miandry ny ekipam-pirenena Malagasy afaka telo volana :

 

 

fihaonana amin`i Etiopia any Addis Abeba ny 23 martsa izao, izay tafiditra amin`ny andro fahadimy amin`ny fifanintsanana ny CAN 2022. Ny 30 martsa izao dia handray an`i Niger eo amin`ny andro farany ny Barea de Madagascar. Raha ny fantatra dia hotanterahina ao amin` ny Kianja Barea etsy Mahamasina, amin` ny endriny vaovao, ny fihaonana hikatrohana amin`i Niger. Torak`izany koa ireo lalao fifanintsanana hiadian-toerana ho an`ny Mondial 2022, izay hanomboka ny 31 mey 2021 ny andro voalohany. Raha tsiahivina dia anatin`ny vondrona J i Madagasikara ka hifanintsana amin`ny RD Congo, Tanzania ary Benin. Marihana fa ny daty voatondro hahavitan`izany kianja izany dia mialoha ny fetim-pirenena.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT