Kianja Barea

Hopotehina amin’ny « spectacle » indray anio ?


  • Zoma 11 Oktobra 2024

Hisy fampisehoan’ireo mpanakanto vahiny Tayc sy Dadjou ao amin'ny kianja ny barea anio.

Nigadona teto Madagasikara, ka notsenaina teny Ivato omaly izy ireo. Somary manaitra ihany anefa ny ny hoe : bozaka vao nambolena ny ao Mahamasina, kanefa dia hohitsahina amin’ny fampisehoana indray. Sa misy fepetra manokana hiarovana ny bozaka ? Raha ny tatitra, efa vita ny 70% ny fanavaozana ny kianja toy ny Fanitarana ny "Vestiaire" izay efa vita tanteraka ary ny fambolena ny bozaka vaovao eo aminy kianja ary efa mitsiry ankehitriny, ny fanintarana ny "Gradin" kosa izay mbola eo ampanamboarana ka ampitombona hahazaka olona 3000 ny « Gradin » eo aminy kianja. Dia hanaovana fampisehoana indray ka ho gaboraraka ohatry ny efa niseho hatrizay sa hanao ahoana ny fitandroana ny kianja ? Fa izy io tokoa ve aloha kianjan’ny baolina kitra sa kianja fanaovana fampisehoana na « spectacle» ? Dia mihevitra ve isika fa hahazo fankatoavana na « homologation » amin'ny CAF isika raha ohatr’izao foana. Mampalahelo ilay fintantanana eto an-tanàna ary taratr’izany io zava-miseho io, hoy ny fanehoan-kevitry ny olona. Tsy henatra ho an’ny Fanjakana ankehitriny ve ny hoe : anio sy afaka 3 andro ny lalaon’ny Barea izay tsy maintsy any ivelan’i Madagasikara noho ny petatoko sy tsy fitandroana ny hasin’ny kianja izay nampitondraina ny anaran’ny ekipam-pirenena kanefa izy ireoa aza tsy afaka milalao eto an-taniny? Mbola tsy nahay naka lesona tamin’ireo tranga tany aloha hatrany ve ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT